Baiboly malagasy : Taom-pankalazana indroa misesy ho an’ny FMBM

Feno 60 taona ny nitsanganan’ny fikambanana. 190 amin’ity taona ity koa ny nahavitana printy voalohany ny baiboly malagasy. Ivon’ny taom-pankalazana ny 21 jona hoavy izao. Taom-pankalazana in­droa misesy izany ho an’ny fikambanana mampiely baiboly malagasy (FMBM), ity taona 2025 ity, raha ny fampahafantarana nataon’ny fikambanana. Lohahevitra enti-manamarika izany ny hoe: “Mandre ny teny, mandray, mamoa” (Marka 4:20). Hanaovana fanompoam-pivavahana eny amin’ny CCI Ivato. Hisy ny hetsika hita eny an-toerana, toy ny fanolorana baiboly malagasy voalohany ho an’ny filohan’ny Repoblikan’i Mada­gasikara. Ny fampirantiana ny tantaran’ny baiboly sy ny fikambanana ary fiaraha-misakafo. Hialohavan’ny fivoriamben’ny fikambanana mampiely baiboly rehetra aty Afrika izany. Tanterahina eto Mada­gasikara, eny Ambodivona, amin’ny 14-25 jiona izao. Efa nisy ny fanokafana, natao ny alahady faharoan’ny volana febroary lasa teo. Hofaranana amin’ny 23 novambra hoavy izao kosa ny taom-pankalazana.
Tanjona ny hahazoana tsanganan’olona tia an’Andria­manitra, tia ny tenin’Andria­manitra ary mahafatrapo amin’ny baiboly. Eo koa ny fanaovana tsangambato hanorenana ny trano foiben’ny fikambanana mampiely baiboly malagasy. Efa nasiam-panitsiana inenina ny baiboly malagasy hatramin’izay nahavitana printy voalohany azy izay. “Tsy mifanaraka ny zava-misy iainana amin’izao vanim-potoana izao ny fomba fiteny nampiasaina tamin’izany ka antony nanitsiana”, hoy ny pastora Rabeharimanana Hery, filohan’ny fikambanana.

Mino

Partager sur: