Bar à livres – Bemasoandro : Maro ireo misitery mahakasika an’i Randja Zanamihoatra

100 taona ny alakamisy teo raha mbola anisan’ny velona i Randja Zanamihoatra. Vao ny ampahany kely amin’ny asa sorany anefa no fantatry ny besinimaro, ary andalana ny fampahafantarana ny sasany.

“Boto i Randja Zana­mihoatra. Tsy ilay boto araka ny fomba fiteny fantatry ny maro, fa hafa noho ny rehetra izy”, hoy ny fampidirana nataon’i Vanga. Nandritra ny tafatafa teny amin’ny Le Park Bemasoan­dro, izay tafiditra indrindra anatin’ny fanamarihana ny faha-100 taonan’ity mpano­ratra ity io. Iray tamin’ireo nanam-bintana nifanerasera tamin’i Randja Zanamihoatra fahavelony, ity poeta sady “anthropologue” ity. Anisan’ny hevitra niraisan’ireo tonga maro nanatrika ny hoe: be misitery i Randja Zanami­hoatra. Ireo efa namakafaka sy nandinika lalina ny asa sorany, toa an-dry Ranoë aza, mbola niaiky izany. Nahaliana avokoa ny fizaran’ireo nandray anjara, toa ny fanehoan-kevitr’i Ankoay, iray amin’ireo “miondana” Randja Zana­mihoatra ihany koa.
Nifanerasera, nikaroka momba ny sanganasany fa in­drindra nahatahiry ampahan’ ireo soratr’i Randja Zana­mihoatra izay tsy mbola fantatry ny rehetra, na ny zanaka aman-jafiny aza, i Vanga. Naseho sy novakiany voalohany tamin’io fotoana io, ho fanomezam-boninahitra an’ity andrarezin’ny soratra ity izany. Hoy indrindra izy: “Fanambin’ny fahatsiarovana ny fanehoana voalohany ireo sorany manan-jina, tsy mbola nivoaka ho hitan’ny maso: mitondra mistery, fahendrena, ary fahazavan’ny fanahy”. Niverimberina ny hoe: lalina ka saro-takarina, mifono misitery, hitarafana ny fironan-keviny manokana, sns, nandritra ny fotoana.
Vory tao Bemasoandro ny poeta, mpikabary, mpampianatra, mpianatra, mpikaroka, mpanao gazety, sns, noho ny antony niraisana: samy te halalala misimisy kokoa mom­ba an’i Randja Zanamihoatra sy ny asa sorany. Fotoana namerenan’i Njato Rama­menosoa ny sora-piainany io, araka ny voka-pikarohana izay nataony. Ny faniriana niraisana ihany koa dia ny hisian’ny famoahana ho boky ireo sanganasan’i Randja Zanamihoatra tsy mbola nivoaka, sy famerenana ny fanontana ireo efa nivoaka. “Efa misy ny tetikasa momba izay, iarahan’ny komity, ny fianakaviana ary ny minisiteran’ ny Kolontsaina mandritra ity fankalazana ity”, hoy ny nambaran’i Nirihaja, poeta, mitarika ny komitin’ny fankalazana.
Tsy ampy ihany koa ny ora telo namoaboasana an’i Randja Zanamihoatra sy ny sanganasany, ka tapaka fa hisy fihaonana manaraka indray, tsy ho ela.

Zo ny Aina

Partager sur: