Distrikan’Atsimondrano : Hampandrosoana ny tantsaha ny Ciad

Entina hampandrosoana ny eny ifotony ny Ciad. Tetibola tantanan’ny solombavambahoaka. Ho an’ny distrikan’Antsi­mon­drano, nilaza ny solombavambahoaka Andry Ratsivahiny, omaly fa entina hanampiana ny tantsaha, indrindra ny mpamboly, ny tetibola amin’ity taona ity. Natolotra omaly ireo fitaovam-pambolena ho porofo iaraha-mahita ho an’izany fanohanana ny tantsaha izany. Nahitana kubota, milina fikapohana vary sy fijinjana vary, paompy fampidiran-drano… Nandritra ny roa taona nisesy izao dia naompana ho an’ny tantsaha ny tetibola Ciad ary tena manampy azy ireo amin’ny fampitomboana ny vokatra izany. Natolotra omaly koa ny jiro miisa 600 hanazavana ny tanàna, hanampy amin’ny fandriampahalemana eny amin’io distrika io. Hanohanana ireo fikambanam-behivavy indray ny Ciad amin’ny manaraka, hoy ny solombavambahoaka Andry Ratsivahiny.

Tatiana

Partager sur: