Nitondra ny heviny momba ny tetikasa Base Toliara ny mpampianatra mpikaroka momba ny “Geologie appliquée au développement et à l’environnement” eny anivon’ny Oniversite, ny Dr Souleman Ibrahim Andriamandimby. “Tombony ho an’ny mpianatra ny fisokafan’ny orinasa Base Toliara. Ahafahana manao fampiharana sy fikarohana”, hoy izy. Nanteriny fa manana ny sampam-pikarohana momba ny harena an-kibon’ny tany sy ny tontolo iainana ireo oniversite. «Hofoanana tahaka izany avokoa izany isaky ny hisokatra ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany. Ho aiza izany ireo mpianatra eny anivon’ny Oniversite? », hoy izy. Nanome toky ny tenany fa azo antoka ny voka-pikarohana nataon’ireny mpianatra ireny. Mitandro hatrany ny fikajiana ny tontolo iainana ary mijery ny lafiny fampandrosoana hatrany, araka ny nambarany. Notsiahiviny fa efa nisy ny fikarohana natao momba io tetikasa io ka nahafantarana fa tsy voatery any ambany lavaka ny fasimainty. “Misy koa ny ambonin’ny tany trandrahina ao amin’io toerana io. Efa mipetraka ambonin’io fasimainty io ny olona marobe ary mivezivezy ao, kanefa tsy nisy maty akory izy ireny”, hoy ihany izy. Anisan’izany ny tenany nikirakira fasimainty nandritra ny fotoana maro tao Ranobe Toliara. Nohitsiny fa tokony ho ny marina no havoaka. “Efa maro ny fikarohana natao sy ny voka-pikarohana ahafaha-milaza fa zakan’ny olona ny fasimainty ary voamarina koa fa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena », hoy izy.
Synèse R.