FANTINA sy FINTINA

Notebahin’ny filoha nasionalin’ny Freedom, Rakotondrazafy Lalatiana, ireo fitsidihana sy ny he­tsika tsy nahitam-bokatra nefa nanaovana serasera. “Ny tena antony, ny votoatin’izy ireny ary ny vokatra azo tamin’izy ireny toa tsy mba hita”, hoy izy. Nambarany ho olany ny filoha voakiana manoloana ireo mpiara-miasa aminy tsy hihira sy tsy hanao tsianjery.
Hosokafana ny 2 jona ny fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantena sy ny nijoroan’ny Foloalindahy. Homarihina amin’ny alalan’ny fananganan-tsaina etsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely izany. Hitarika ny lanonanana ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Hisy ny fanentanana ny amin’ny tokony hananganan’ny rehetra ny sainam-pirenena.
Miantso ny vahoaka malagasy hanatrika sy haneho firaisankina amin’ny alalan’ny fanehoam-pitiavan-tanindrazana ny komity mpikarakara ny hetsika fankalazana ny fetin’ny niverenan’ny Fahaleovantena. Tsiahivina fa hotanterahana eny amin’ny Lac Iarivo ny fankalazana izany amin’ny alalan’ny afomanga sy ny matson’ny Foloalindahy.
Nitsidika ny tany Morondava ny ambasadaoro frantsay, i Arnaud Guillois, tamin’ity herinandro ity. Nisy ny dinika nifanaovany tamin’ireo tomponandraikitra any an-toerana. Voaresaka ny lafiny fanabeazana, ny tetikasa ho an’ny fampandrosoana. Eo koa ny momba ny fitandroana ny filaminana sy ny fandriampahalemana ary ny fanamafisana ny fiaraha-miasa.

Partager sur: