Tafiditra ao anatin’ny ala maina andrefana ny alan’i Mikea any Toliara. Ilaina ny fiarovana ny olona miaina ao anatiny, miampy ny biby sy ny zavamaniry tsy hita raha tsy any an-toerana.
Natao tao amin’ny kaominina Befandefa, distrika Morombe, faritra Atsimo Andrefana, ny alatsinainy 26 mey teo, ny fanambarana ofisialy, ny alan-javaboahary andrefana ho vakoka iraisam-pirenen’ny Unesco. Maro ny mampiavaka azy amin’ireo karazan-javamananaina any an-toerana sy ny rohivoahary manan-danja eto an-tany.
Mitotaly 734 298 ha ity alan-javaboahary voafaritra ho vakoka Unesco ity. Ahitana ny valan-javaboahary nasionaly efatra (Ankarafantsika, Bemaraha, Tsimanampetsotse, Mikea) miampy ny tahirin-javaboahary manokana roa (Ankarana sy Analamerana). Hita any amin’ny faritany telo sy faritra enina eto amintsika ireo ala maina ireo. Raha aravona, mahasahana ny ala maina rehetra any amin’ny tapany andrefana sy atsimo andrefan’i Madagasikara izany. Toerana ahitana toeram-ponenanan’ny biby sy zavamaniry tsy hita raha tsy any an-toerana sy eto amintsika, izay saika ahina ho lany tamingana ny ankamaroany. Singanina amin’izany ny hazo reniala na baobab, ny vorona an’ala, sns.
Tena miavaka ny mponina Mikea
An-taonany maro ny dingana natao vao tonga amin’izao fankatoavana amin’ny maha Vakoka iraisam-pirenena Unesco ny ala maina andrefana izao. Anisan’ny tena mampiavaka ny ala Mikea, ireo mponina anaty ala, mbola miaina ny fomba taloha, mitafy ny nentin-drazana, toy ny fanaovana salaka, ohatra. Mivelona amin’ny haza sy ny remby, toy ny fihinanana tantely sy oviala.
Maro ny olo-manankaja tonga tany an-toerana, notarihin’ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (Medd), Max Andonirina Fontaine, ny ao amin’ny minisiteran’ny Kolontsaina, ny tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny, ny fikambanana ONG miaro ny tontolo iainana ary indrindra ny delegasionina iraisam-pirenena avy amin’ny Unesco.
Njaka Andriantefiarinesy