Ho avy eto amintsika, ny talata izao, ny filohan’i Slovenie, Nataša Pirc Musar. Hihaona amin’ny filoha Rajoelina Andry ny tenany amin’izao fitsidihana ataony izao.
Anisan’ny manamarika ity filoha ity ny maha mpanao gazety sy mpisolovava azy. Filoha mitantana an’i Slovenie nanomboka ny taona 2022. Efa minisitry ny Raharaham-bahiny ny tenany, nialoha izany.
Anisan’ny hiompanan’ny ho fiaraha-miasa sy hanaovany sonia amin’ny fitondram-panjakana ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ny firenena roa tonta, ny sehatry ny indostria sy ny teknolojia. Eo koa ny fampiasam-bola. Manampy izany ny tontolon’ny angovo azo havaozina. Ny momba ny fitantanana sy ny fiarovana ny tontolo iainana ihany koa. Ny ho fiaraha-miasa eo amin’ny fahasalamana sy ny fanafody, indrindra indrindra. Eo koa ny fampiroboroboana ny toekarena miompana amin’ny fizahantany sy ny lafiny fikarakarana hetsika ara-kolontsaina. Anisan’ny hifampiresahana amin’ity filohan’i Slovenie ity koa ny fiaraha-miombona antoka amin’ny ady atao momba ny heloka ana habaka.
Tsiahivina fa nanomboka ny taona 2006 ny fiaraha-miasa teo amin’i Madagasikara sy i Slovenie. Teo koa ny nahatongavan’ireo delegasionina teto nametrahana ny fifandraisana ara-diplaomatika ka namaritana ireo sehatra iaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Nialoha izany, nametraka foibe fanofanana ho an’ny fambolena, ka anisan’izany ny any Vangaindrano, natao hanampiana ny mponina ho amin’ny fanjarian-tsakafo.
Synèse R.