Nitondra fanazavana ary namaky bantsilana ny fanodinkodinam-bola ao amin’ny Antenimierandoholona ny filohan’ ity Andrimpanjakana ity, ny Jly Ravalomanana Richard.
«Tena misy io. Izaho no nangataka ny mpanao famotorana tao amin’ny Toby Ratsimandrava : mangataka fanokafana fanadihadiana». Izay ny fanazavan’ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, tamin’ny mpanao gazety teny Anosy, omaly, ny amin’ny fisian’ny fanodinkodinam-bola eo anivon’ny Andrimpanjakana tantaniny izay mivoaka eny amin’ny tambajotran-tserasera. Mahalala an’izany avokoa ny minisitera voakasika, ny Primatiora, ny fiadidiana ny Repoblika. Mila fanampiana ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola izay namoaka ny vola. Natao ny fanadihadiana, fa ny olana: nesorina amin’ny toerany ny tomponandraikitr’izany noho ny “Raharaha Kly Rakotomamonjy Patrick”. Nikatso ny fanadihadiana. Ara-dalàna raha nilaza ny tambajotran-tserasera hoe efa roa volana tsy nivoaka ny vokatry ny fanadihadiana. Tokony hotohizina ny raharaha, rehefa nesorina izay nanao izany teo aloha.
Ireo firenena manasa no miantoka…
Samy miezaka miady amin’izany fanodinkodinam-bola izany avokoa na minisitra na Praiminisitra. Izay no mahatonga ny toerana fanaovana fitarainana: ady amin’ny kolikoly. Ao amin’ny Antenimierandoholona ve misy manao an’izay? Ny akony: tsy misitraka ny zony intsony ny tale, ny lehiben’ny sampandraharaha… Tsy azo, ohatra, ny solika. Voalaza fa hoe anaovan’ny filohan’ny Antenimierandoholona iraka any ivelany no mahatonga izay tsy fisitrahana ny zon’izy ireo izay. Nefa nohazavainy fa izay manasa azy any ivelany no miantoka ny diany. Toy ny tany Angletera, Chine, Maroc… Tsy misy vola avy amin’ny Antenimierandoholona no andehanana. Tsy hoe lanin’ny filohan’ny Antenimierandoholona manefa iraka any ivelany ny zon’ny mpiasa. Andrasana ny tohin’ny raharaha…
R. Nd.