Efa miomana sahady amin’ny fiatrehana ny fotoam-pahavaratra manaraka ny tomponandraikitra ka hanampy ny fahazoana fitaovana sy fiara avy amin’ny mpiray ombon’antoka.
Nahazo fampitaovana hanatsarana ny andraikitra sahaniny ny BNGRC, omaly, teny Andrainarivo. Fiara tsy mataho-dalana roa sy fitaovana ahafahana miserasera (radio) manampy amin’ny fandrindrana ny asa eny ifotony mandritra ny hamehana no natolotry ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam). Manafaingana ny famaliana ny filana amin’ny fitaterana ny sakafo sy ny fitaovana ilain’ny traboina ny fiara roa, ho an’ny toerana saro-dalana, hoy ny solontenan’ny Pam eto amintsika, Tania Goossens.
Efa ampolo taonany no niara-niasa sy nanohana ny BNGRC ny Pam amin’ny fampitaovana sy fanampiana teknika samihafa ilaina amin’ny fiomanana mialoha ny voina sy ny fiatrehana ny loza ary ny fanarenana aorian’ny fandalovan’ny rivodoza.
“Ahazoana miaro ny vahoaka ny fitaovana amin’ny fiomanana mialoha ny hahatongavan’ny voina. Alefa any amin’ny biraom-paritry ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza any Atsimo sy Andrefana ny fiara satria tsy mbola ampy fitaovana izy ireo”, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Elack Andriakaja Olivier. Ankoatra ny fanomezana sakafo mahazatra, manome fitaovana koa ny Pam ankoatra ireo efa vidian’ny fanjakana.
Isan-taona, misedra rivodoza miteraka tondradrano sy faharavana fotodrafitrasa maro i Madagasikara. Manampy amin’ny fiomanana ny fananana fitaovana samihafa miserasera amin’ny mponina eny ifotony ary mampihena ny fiantraikan’ny loza izany.
Vonona hanohana hatrany ny fanjakana malagasy ny mpiray ombon’antoka ho tombontsoan’ny vahoaka. Hentitra ny fanaraha-maso ny fampiasana ny fitaovana rehetra miparitaka any amin’ny faritra.
Vonjy