Herinandron’ny feon-kira bagasy : Hotanterahina mandritra ny volana jona

Maro ireo hetsika efa no­tanterahin’ny Sehatra Ba­gasy… Hiavaka kosa ny amin’ ity volana jona 2025 ity. Hotanterahina ny sabotsy 7 jona izao, manomboka amin’ ny 2 ora sy sasany tolakandro ka hatramin’ny 5 ora sy sasany, ao amin’ny efitrano ma­lalaky ny Aro Antsahavola ny «Atrikefa feon-kira bagasy».
Hanasana ireo mpitendry gitara tendry gasy sy mpitendry valiha io fotoana io. Izy ireo no hanolotra feon-kira manokana, izay marihin’ny mpikarakara fa tsy hisy fanomanana. Rehefa vita izay, hampiara-peo indray ny gitara sy ny valiha ary ny hira. Tsy mbola hisy fanomanana ihany koa fa izay hifanarahan’ny rehetra no hotendrena.
Hisy ny hitarika ny velakevitra sy hizara traikefa

Ankoatra ny maha seho kanto ny «Herinandron’ny feon-kira bagasy». Hisy ny velakevitra hoentin’ireo nasaina manokana hitarika izany. Hisy ny avy ao amin-dry zareo mpitendry gitara bagasy. Ao ihany koa ny avy ao amin’ny mpitendry valiha izay ho tonga eny an-toerana. Na eo aza ny maha velakevitra azy ity, hanana endrika fifanakalozana sy fifampizarana traikefa hatrany izany.
Hitohy ny 14 jona indray ny «Herinandron’ny feon-kira bagasy» ka ry zareo mpitendry piano no hiaka-tsehatra hitondra ny velakevitra sy hihira. Nomarihin’i Mbosa fa hasaina ho tonga maro eny an-toerana ny mpitendry bagasy sy izay maniry ny hanamafy na hiditra tanteraka ao anatin’ny fifampizarana sy fifarimbonana hanome aina vao hatrany ny bagasy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: