Ho amin-kitsim-po

 

Tena mahavariana ny fanaovana politika amin’izao fotoana. Baikoin’ny fialonana sy ny kajikajy isan-karazany ny mpiantsehatra. Tsy ny fitiavan-tanindrazana sy ny fampandrosoana intsony no mampirisika ilay fandraisana andraikitra. Loha lisitra ny fitiavam-bola sy voninahitra. Indrisy, efa izay avokoa ny ankamaroany. Mitomany ilay Madagasikara.
Mipetraka ny fanontaniana amin’ny zava-misy ankehitriny: maninona no ilay antokon’ny Filohan’ny Repoblika indray no manery azy handrava efa? Averimberina indray ny fivoizana fa tsy mpitolona izatsy na izaroa. Ilay maha izy azy ny mpanendry no tsinontsinoavin’ny mpiara-dia sasany. Tsy fomba fiady intsony ilay mitati-bolana sy manaratsy.
Tsy ny olom-boatendry izay omen-tsiny no ratsy endrika fa ilay Filoha mihitsy. Tsy tokony hisy, araka izany, ny hanao valala an-karona. Tsy fahaizana politika ny fifanebahana sy fifanalam-baraka eny imasom-bahoaka. Tsy vitan’ny efa lany andro manohitra mpanohitra ny mpitolona fa mbola very fotoana mifanimba. Mila mandini-tena avokoa ny olon-drehetra ka milaza fa mpanohana.
Tsy vanim-potoana ny fifanipazana hoditra akondro intsony izao. Tsy tokony homen-danja ny volo mpanoha randrana. Fifanohanana sy fifanomezan-tanana no ilaina. Fanoitra iray lehibe mifandraika amin’ny fikatsaham-pandrosoana ny fifanomezan-tanana, ny fampitovizana tadin-dokanga amin’ny zotra iraisana…ilay Madagasikara tsy maintsy mandroso.
Fositra iray tokony ho arahina, hisorohana izany, ny fifanitsahana sy ny fifampijabahana andraikitra. Aiza koa no misy hoe olom-boafidy hibaiko olom-boatendry nianatra sy mahafehy ilay asa. Ireny anefa no mihevitra ho tompom-pahefana eto amin’ny tanàna. Tsy afaka ny mitompo teny fantatra momba izany anefa izy ireny amin’ity taham-pandraisana anjara amin’ny fifidianana ambany dia ambany.
Raha ny tena marina, mila fanohanana amin-kitsim-po ilay Filoha fa tsy ampifilafilaina amin’izay mahametimety ny rehetra.

r.r

Partager sur: