INDRAY MIJERY

Manoloana ny fahateren’ny asa eto Mada­gasikara, mitady lalana hiasa any ivelany ny tanora. Orinasa 37 amin’ny sehatra samihafa no nandray anjara sy nitily ny fahaiza-manaon’ireo tanora malagasy maniry hiasa any Maorisy nandritra ny 2 andro, tetsy amin’ny Carlton.

Tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra farany teo ny fanajariana sy fampanarahana fenitra ireo fitaovana ao amin’ny CHRD Nosy Be sy Ste Marie. Mila havaozina ho CHU ny hopitalin’i Nosy Be, hoy ny filoham-pirenena.

Hisokatra amin’ny taom-pianarana manaraka ny oniversite Nosy Be. Hisy ireo lalam-piofanana mifandraika amin’ny filan’ny toekarena ao an-toerana, toy ny fizahantany, ny toekarena manga, ny fitantanana trano fandraisam-bahiny…

Mitohy ny hatsiaka ary tena mamanala rehefa maraina sy hariva. Sakafo mafana sy ara-pahasalamana, tsy be menaka, tsy mamy loatra, tsy be sira no tokony hohanina raha ny soso-kevitry ny dokotera. Mila manao mafana ireo ankizy sy ny olona marefo mba tsy hijaly ny vatany.

Partager sur: