« Tafakatra hatrany amin’ny 300 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola ilain’i Madagasikara hanohanana sy hampiroboroboana ny toekarena manga », hoy ny tale jeneralin’ny toekarena manga, Rakotosoa Rado, ny alarobia teo, nandritra ny famaranana ny fikaonandoha ho fanetsehana ireo mpamatsy vola sy ireo mpiara-miombon’antoka maharitra ho an’ny jono sy ny fihariana anaty rano. Fivoriambe natao nandritra ny roa andro niantsoana ireo mpiara-miombon’antoka sy mpisehatra hifanohana ara-bola hanatsarana ny toekarena eto Madagasikara.
Ankoatra izay, tafapekatra ny tondrozotra hamatsiam-bola sy hanohanana ny jono eto Madagasikara. Tokony hakarina, hoy ny tale jeneralin’ny toekarena manga, ny famatsiam-bola avy amin’ny fanjakana hampiroboroboana ity sehatra ity sy hampandrosoana ny toekarem-pirenena. Miantso ireo mpamatsy vola avy amin’ny sehatra tsy miankina, mpandraharaha eto an-toerana sy avy any ivelany ary ireo mpisehatra samihafa ihany koa ny tenany hifanohana ao anatin’ny fihariana. Hiaraha-mahalala fa miantoka ny famoronan’asa ho an’ny vehivavy sy ny tanora eto an-toerana ny jono. Fanoitra ho an’ny fampandrosoana ny firenena izy satria mandray anjara 4 ka hatramin’ny 7% ny amin’ny harinkarena eto Madagasikara. Manodidina ny 3,5% kosa izany eo anivon’ny Sadc.
Marihina fa lalana ahafahana mampiroborobo sy ahatrarana ny fanjarian-tsakafo eto amintsika ny sehatry ny jono.
Henintsoa