“Ligue des Champions 2025” : Hiady ny amboarabe ny Inter Milan sy ny PSG

Tonga ity ny fotoana efa nandrasan’ny maro. Ho fantatra anio alina, ny anaran’ny klioba hibata ny amboaran’ny « Ligue des Champions (LDC 2025)”, taranja baolina kitra.

Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianja Allianz Arena Munich Allemag­ne, ny lalao famaranan’ny fifaninanana baolina kitra eoropeanina, « Ligue des Cham­pions (LDC 2025) ». Hiady izany ny ekipan’ny Paris Saint Germain (PSG) Fc, avy ao France, sy ny Inter de Milan, avy any Italie.

Tsiahivina fa indroa amin’ity izao ny PSG no hiatrika ny famaranan’ny LDC saingy tsy mbola nahazo izany mihitsy. Manana vina ambony ny ekipa frantsay, ary izy ireo no heverin’ny maro fa ho « favoris » amin’ity fifanandrinana ity. Na dia tsy voasokajy ho anisan’ny klioba mafy aza ny Inter de Milan, manana herijika ny hahazo izany izy ireo.

Tsara ny mampahafantatra fa efa nibata ny « LDC » ry zareo ny taona 1964 sy ny 1965 ary ny 2010. Ny taona 2023 teo, niatrika ny famaranan’ity fifanintsanana eoropeanina ity ny klioba milaney.

Fitia Randria

Hoy izy ireo :

“Taonan’ny lojika ny 2025. Maro tamin’ireo klioba tsy namokatra mihitsy no nahazo amboara tamin’ity. Porofon’izany ny nahazoan’ny Tottenham ny amboara voalohany teo amin’ny tantarany, teo ihany koa ny nahazoan’i Harry Kane, ny amboara voalohany ho azy, ity farany izay tsy nety nahazo anaram-boninahitra mihitsy nandritra ny lalao nataony raha tsy tamin’ity taom-pilalaovana ity. Azo lazaina, araka izany, fa mety hibata ny LDC voalohany ho azy ihany koa ny PSG”, hoy i Davida, olona iray mpankafy baolina kitra.
“Tsy azo atao ambani-javatra ny zava-bitan’ny PSG, saingy manana ny finiavana ny handresy hatrany koa ny Inter de Milan, efa resin’ny Barcelone izy ireo saingy tsy nilavo lefona ka izao miatrika ny famaranana izao. Baolina be io hariva io, fa ny Inter no hitako mahazo azy, raha ny dingana vitan’izy ireo”, hoy i Bernard, mpitia baolina kitra italianina.

Partager sur: