Mangarahara eo amin’ny fitsarana : Havadika ho niomerika ny didy fandravana

Notanterahina omaly, ny fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ny famadihana ho niomerika ireo didy fandravana eo anivon’ny fitsarana.

Nambaran’ireo tomponandraikitra fa tafiditra amin’ny mangarahara ny firosoana any amin’ny famadihana ireo didy fakan-tahaka ” Jurispru­dence” ho niomerika. Mahe­rin’ny 1 000 ireo didy efa tafiditra ao anatin’izany tranonkala izany, efa azon’ny rehetra jerena. Tafiditra ao ny ady lova na ady tany, nanomboka ny taona 2009 hatramin’ny 2022. “Nojerena ny didy rehetra na­voakan’ny fitsarana mpandrava didy ary nojerena koa ny tena votoatiny araka ny lalàna ka nahatonga ilay didy nivoaka indrindra amin’ireo ady matetika mitranga. Nia­inga tamin’izany ny nifidianana ireo didy miisa 1 000 navoaka ireo”, hoy izy ireo. Anisan’izany ny eo anivon’ny fitsarana ara-bola na koa ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana… “Afaka mikirakira izany ireo mpitsara na mpisolovava”, hoy ihany izy ireo.
Nambaran’ny tomponandraikitry ny mpikirakira ny informatika, Raveloson Ranto, fa afaka misitraka izany avokoa ny rehetra rehefa miditra amin’ny tranonkala raha te hahita izany. Mbola ho avy koa ny hamadihana izany any amin’ny telefaonina… “Mbola amin’ny teny frantsay fa efa vina ny hamadihana izany ho teny gasy”, hoy ihany izy.

Synèse R.

Partager sur: