Hotanterahina manomboka anio hatramin’ny 3 jona ho avy izao, etsy Mahamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Atsinanana, amin’ny taranja tenisy ambony latabatra « ping pong », sokajy lahy sy vavy. Araka ny fanadihadiana natao tamin-dRazakarisoa Patrick, tale teknika nasionalin’ny Federasionina malagasin’ny tenisy ambony latabatra (FMTT), omaly, firenena sivy amin’ireo 12 no tonga eto Madagasikara. Ankoatra an’i Madagasikara, mpampiantrano, hoavy ao ihany koa i Maurice, Djibouti, Eritré, Kenya, Ouganda, Éthiopie, Seychelles, ary i Soudan du Sud. Telo ireo firenena tsy tonga ao dia ny nosy rahavavy Comores, Somalie ary Rwanda, izay firenena mpampiantrano ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika kaontinantaly hatao ny volana oktobra ho avy izao. Ankoatra izay, mpilalao 14 mianadahy, fito lahy sy fito vavy, no hampiakarina an-tsehatra amin’ity fifanintsanana afrikanina ity. Ny mpanazatra dia i Jonathan Nativel, izay nandrombaka medaly volamena telo nandritra ny lalaon’ny Nosy 2023, natao taty Madagasikara farany teo. Marihina fa natao hiadiana ny tapakila hiatrehina ny fifaninanana afrikanina kaontinantaly ity hotontosaina eto Madagasikara ity.
F.R
Ireo mpilalao 14 mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy:
Lahy : - Fabio Rakotoarimanana – Antoine Razafinarivo – Setra Rakotoarisoa – Riva Rakotoarisoa – Itokiana Razafindrakoto – Lino Razafindralambo – Rhandy Rakotodrazaka
Vavy : – Hanitra Raharimanana – Edena Prévôt -Santatra Raharijaona – Océane Rakotondrazaka – Fitia Rasoanirainy - Mayane Rakotondrazaka -Gracia Andriantahina