Vaky ny fitaratry ny taksiborosy iray mampitohy an’i Toliara sy Antananarivo, vokatry ny asan-dahalo teny amin’ny lalam-pirenena fahafito, ny alin’ny alakamisy hifoha omaly zoma 30 mey. Nosakanan’ny andian-dahalo am-polony tamin’ny alalan’ny vato sy hazo teo amin’ny 10 km tsy hidirana ny kaominina Vohiposa, distrikan’Ambohimahasoa, io fiara io. “Nahare horakoraka sady nisy tora-bato tampoka izahay vao afaka ny fiolanana tamin’ny 1 ora sy 45 minitra”, hoy ny fazavan’i Jeannot, iray tamin’ireo mpandeha lasibatra. Tsy nijanona ny mpamily ka nandrisika azy handroso hatrany ireo olona tao anatin’ny fiara. “Nisy nanipy vatobe tampoka avy amin’ny ilany havia tamin’ny arabe ka vaky ny fitaratra nifanandrify amin’ny mpamily”, hoy ny vavolombelona. Nanohy nanenjika azy ireo hatrany amin’ny iray kilometatra ireo mpanakan-dalana. Tsy nisy naratra ireo mpandeha sady tsy nisy ny entana voaroba. Afaka soa aman-tsara tamin’ny fanakanan-dalana nahazo azy izy ireo. “Mananosarotra saingy manamora ireo mpanao ratsy ny haratsian-dalana”, hoy hatrany ny fanazavana. Niala tamin’ny alarobia maraina, tamin’ny 7 ora, tany Toliara io taksiborosy io. “Taraiky tao Fianarantsoa noho ny fisian’ny olana tamin’ny polisy ny fiara”, araka ny loharanom-baovao. Lasa aloha tamin’ireo mpanao “caravane” izy ireo ka afaka niverin-dalana vantany naharaka ny fisian’ny fanakanana ireo tratra aoriana. Miantso ny mpitandro filaminana hanamafy ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana amin’io lalam-pirenena io, ireo mpivezivezy.
Tsiferana R.