Hanomboka anio ary hitohy hatramin’ny 1 jona izao ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja beach volley. Any Toamasina, eo amin’ny torapasika ampitan’ny Hopitaly Be no hanaovana ny fifaninanana araka ny fandaharam-potoana.
Hiditra amin’ny dingana ampahefa-dalana ny faran’ny herinandro izao ny fiadiana ny tompondaka eo anivon’ny seksiona Antananarivo Renivohitra, taranja basikety, sokajy U20. Anisan’ny hifandona eo amin’ny sokajy lehilahy, ny NBE sy ny COSPN.
Hotanterahina anio sy rahampitso, eny amin’ny Kianja Elgeco Plus By-Pass, ny lalao ampahefa-dalana miverina amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, « World Cola PFL ». Vonona ny hitady ny fandresena, anio, ny Disciples FC, izay hifandona amin’ny Cosfa.
Araka ny fikarohana natao omaly, fantatra izao fa hifindra ao amin’ny Klioban’ny Real Madrid Espagne, i Trent Alexander Arnold, vodilaharana anglisy. Tsiahivina fa tao amin’ny Liverpool, anglisy, no tena nahafantarana an’i Arnold, ary efa navoaka ofisialy tao amin’ny pejin’ny Real Madrid ny fifindrany.