Homen-danja ny asa famoronana. Izay no tanjona amin’ilay hetsika “Tana Design Week”, hotontosaina ny 28 jona hatramin’ny 19 jolay izao, eto Antananarivo. Hatao tanjona ny firoboroboana ara-toekarena sy ara-kolontsaina, amin’ny alalan’ny fanasongadinana ny famoronana vita malagasy, eto hatrany ivelany. Anisan’ny nivoitra nandritra ny fihaonan’ireo mpikarakara tamin’ny mpanao gazety, teny amin’ny Rovan’ Antananarivo, omaly. Asa fikarohana maro no haseho amina toerana valo eto Antananarivo mandritra izany, toy ny eny amin’ny Cités des cultures Antaninarenina, Fondation H Ambatomena, Oniversiten’Antananarivo, sns. Hisy ny atrikasa, fampirantiana vokatra, filatroana fanehoana lamaody, fanehoana voka-pikarohana maro manodidina ny “design” mandritra izany. Hanentanana sy hampahafantarana ny rehetra ihany koa fa tsy sehatra natao ho an’ny olona voatokana akory rehefa miresaka ny “design”, fa ny fanasongadinana ny talenta amin’ny famoronana no zava-dehibe. Nivoaka ihany koa fa efa misy ny tetikasa hananganana sekoly hanofana momba ny “design”, iaraha-miasa amina sekoly ambony any Eoropa. Kasiana hampidirina ho lalam-piofanana eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo ihany koa izany.
Zo ny Aina