TARATRY ny KANTO

Tontosaina eny amin’ny tokotany malalaky ny Tranombokim-pirenena Anosy ny «Tsenaben’ny boky», ny 4 ka hatramin’ny 6 jona izao. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny fanazavana sy fanentanana momba ny rohim-boky. Velakevitra samihafa. Anisan’izany ny hotanterahina ny 5 jona: «Inona no antsoina hoe : mpanoratra sy poeta» ? Famoahana ny boky «Lahabolana Betsimisaraka», sns.

Anio ny famaranana ny “Tremplin Horizon”. Ilay fifaninanan-kira, ho an’ireo izay hanao ny tapany voalohany amin’ny fampisehoan’i Tiakola ny 11 jona izao izy ity. Ny telo amin’ireo mpifaninana 5 ihany no hiaka-tsehatra amin’io. Handresy lahatra ireo mpitsara sy mpankafy kosa izy ireo anio, eny amin’ny Havoria Anosy.

Mitohy hatrany ny fitetezam-paritra ataon’i Zook Davids. Rahampitso, hanatontosa fampisehoana ao amin’ny FMTA Ankofika Fahazavana Manjakandria­na izy. Hanomboka amin’ny 1 ora sy sasany ny fandaharam-potoana: fanentanana ho an’ny ankizy, hira ho an’ny tanora sy ny rehetra manatrika…

Tsy mety malaza amin’ny sanganasany ? Rehefa tomorina akaiky, marina io. Marobe ankehitriny no miverina mihira ny hira taloha. Tsy hoe, tsy mahay na tsy manana mpamoron-kira manana figadona tahaka ny faheno fahiny ny tarika manao izany fa misy tranga mahavariana.

Partager sur: