Fiaraha-miasan’ny Sekreteram-panjakana misahana ny fahaleovantena ara-tsakafo (Sesa) sy ny orinasa israelianina LR Group amin’ny fametrahana tetikasa fambolena indostrialy Agripole eto Madagasikara. Nohitsian’ny Sekreteram-panjakana Razanamahefa Tahian’Ny Avo, fa tsy misy fivarotana tanindrazana, nandritra ny fanombohana ny tetikasa nametrahana ny tambajotran-tserasera sosialy, ny alahady 25 mey teo. An’ny Malagasy ny tany fa tsy an’ny vahiny. Mijanona ho an’ny Malagasy ny tany ampiasaina amin’ny tetikasa. Fiofanana, traikefa, teknolojia ary fananganana fotodrafitrasa no anjara birikin’ny LR Group. Tanterahin’i Madagasikara kosa ny fandrindrana sy ny fitantanana ny tetikasa. Hiara-kiasa ny famindrana ny traikefa. Manodidina ny 10 000 ny tantsaha hisitraka izany, mivondrona anaty kaoperativa, hahazo fitaovam-pamokarana. « Tanjona ny hivoaran’ny tontolo ambanivohitra, mamaly ny vinan’ny filoham-pirenena, hanatsarana ny rafi-pamokarana », hoy izy. Mandiso ireo vaovao niparitaka mahakasika ny fifanarahana ny Sekreteram-panjakana. Tsiahivina fa niara-nanao sonia taminy ny tomponandraikitra voalohany ao amin’ny LR Group, Ami Lustig, amin’ny fametrahana ny Agripole, amina velarantany 10 000 ha. Faritra voakasika ny eto Analamanga, Bongolava, Alaotra Mangoro ary Vakinankaratra.
Njaka A.