TSELATRA

Nitrangana haintrano indray teny Ambohi­manarina ampitan’ny tsena, omaly maraina. Antso vonjin’ny ankizy no nanaitra ny manodidina. Niredareda ny afo izay voalaza fa niainga avy amin’ny fifampikasohan’ny herinaratra. Tokantrano enina, monina ao anatin’ny trano telo, hotohoton’ny afo. Nifanampy tamin’ny famonoana ny afo ny mponina manodidina. Tsy nisy ny aina nafoy.
Mpitondra moto iray maty tsy tra-drano nidona tamin’ny kamiao, teny Ampasika, ny alin’ny alakamisy 29 mey teo. Nandeha mafy io mpitondra moto io ka tsy nahatazana ny fisian’ny kamiao lehibe iray nijanona tao anaty lalana.
Roa lahy nahatraran’ny polisy rongony tamin’ny gony tao Ankiakalava II, kaominina Maroantsetra, ny 28 mey teo. Nosavain’ny mpitandro filaminana ny tranon’ny lehilahy iray ka nahitana rongony nilanja 24 kg. Mpividy ao amin’ity farany ilay namany izay nitoroka ny toerana.
Lehilahy nahatraran’ny zandary taribin-jiro an’ny orinasa Jirama, tao amin’ny fokontany Soavinimerina, kaominina Mahitsy, distrikan’Ambohidratrimo, ny alin’ny 27 mey teo. Nifanena tamin’ny mpanao fisafoana amin’ny alina ny lehilahy iray. Nosavaina, nahatrarana tariby varahina niampy fitaovana manokana fanapahana izany teny aminy.

Partager sur: