Nanomboka omaly ka hatramin’ny alahady, etsy amin’ny Kianja Soamandrakizay, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe, ho an’olon-droa miaraka. Hanan-danja ity fifaninanam-pirenena ity satria ankoatra ny fahazoana isa, efa tafiditra ao anatin’ny fitiliana sahady izay handrafitra ny ekipam-pirenena ho an’ny taona 2026 izany.
Ankoatra izay, hotolorana lelavola mitentina 2 tapitrisa Ar izay ho tompondaka, miampy amboara ho an’ny klioba izany. Amboara sy 1 tapitrisa Ar kosa ny an’ny faharoa, raha 350 000 Ar ny an’ny fahatelo sy fahefatra. Ho an’ireo ao amin’ny sokajy vehivavy sy ny junior ary ny vétérans indray, samy hahazo amboara ho an’ny klioba izy ireo ary 800 000 Ar ny voalohany isan-tsokajy, raha 300 000 Ar ny an’ny faharoa. Medaly sy 100 000 Ar kosa ny an’ny fahatelo sy fahefatra. Takina amin’ny ekipa mandray anjara rehetra ny fanamiana fitondra amin’ny fanatanjahantena ary mitovy loko sy didy avokoa.
Anisan’ny be mpandray anjara indrindra tamin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ity ny senior, lehilahy. Mahatratra 440 ireo nisoratra anarana avy amin’ny klioba 53 sy ligim-paritra 10. Hivoaka aorian’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ity ihany koa ny anaran’ireo hiatrika ny “Tournoi estival” sy ny “Masters 2025”.
Tompondaka