Renim-pianakaviana 47 taona hita faty tao anaty lavaka mirefy 20 m tao amin’ny fokontany Memangoraka, kaominina Mangatany, distrikan’i Fenoarivobe, ny 27 mey teo. Naharay antso avy amin’ny sefo fokontany ao an-toerana ny zandarimaria momba ny fisiana fatin’olona hita. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny ekipan’ny CSB II ao Mangatany sy ny mpitandro filaminana. Nalaina tao anatin’ny lavaka ny faty olona voalaza. Ramatoa mivelona amin’ny asa fambolena ka tsy vaovao amin’ny manodidina io hita faty tao atsimon’ny tanàna io. Natao ny fizahana ny razana izay efa nisy fahasimbana. Tsy nahitana ratra anefa ny vatany. Araka ny fanadihadiana, tsy hita nanomboka ny 19 mey lasa teo io renim-pianakaviana io. Niala ny trano fonenany tao Bemangoraka ka nikasa hijery fampisehoana ao Mangatany izy. Tsy nody an-trano intsony taorian’izay. Nikaroka azy ny fianakaviany saingy tsy nahazo loharanom-baovao momba azy mihitsy. Hita faty roa herinandro taorian’ny nikarohana azy anefa io ramatoa io. Ahina ho niteraka ny famoizany aina ny fahalatsahany tampoka tao anatin’ny lavaka, araka ny fizahan’ny mpitsabo.
Tsiferana R.