Heverina fa hihena ny vidin-tsolika mandritra ny volana jona sy jolay izao. Samy miandry izay avokoa ny mpanjifa ahafahana mikajy ny fandaniana isan-karazany. Tsiahivina fa niakatra manodidina 200Ar avokoa ny vidin’ny solika nandritra ny volana mey. Vidiny izay niantraika tamin’ny saran’ny zotram-pitaterana nasionaly.
Heverina hiakatra indray ny vidin’ny entona fandrehitra. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, mbola tsy voafaritra ny vidiny vaovao. Tsiahivina fa efa nahitam-piakarany izany iray volana mahery, vidina 67 000Ar ny tavoahangina 9 kg, 97 000Ar ho an’ny tavoahangina 12 kg raha toa ka tafakatra 410 000 Ar izany ho an’ireo entona milanja 39 kg.
Hiakatra eo anelanelan’ny 7 000Ar hatramin’ny 30 000Ar ny saran’ny zotram-pitaterana nasionaly manomboka ny volana jona izao. Fiakarana izay efa noheverin’ny rehetra taorian’ny fiakaran’ny vidin-tsolika. Mitaraina manoloana ny zava-misy ny mpandeha noho izy tsy mifanaraka amin’ny kalitaon’ny tolotra omena azy ireo.
4,83 amin’ny 9,29 ny isa azon’i Madagasikara nandritra ny taona 2023 momba ny fampandrosoana ny tontolon’ny fambolena sy ny fiompiana (PDDAA). Mitaky ezaka goavana avy amin’ireo mpisehatra ny fanatsarana ny fihariana. Ankehitriny, manomana ny tatitra faha-5 fanao isaky ny 2 taona ny minisitera izay atolotra ny SADC ny 3 jolay.