Niharan’ny fitsaram-bahoaka teny amin’ny faritry ny trano fonenan’ny mpianatra Ankatso II ny lehilahy iray. Nikasa hangalatra sy hanao sinto-mahery izy sy ny namany efatra hafa saingy tratran’ny olona.
Tavela teo amin’ny kianja fanaovana basikety teny an-toerana ny razana omaly maraim-be.
Lehilahy manodidina ny 25 taona, hita faty teo amin’ny kianja fanaovana basikety teny Ankatso II, omaly tamin’ny 6 ora maraina. Potika tanteraka ny lohany, nahitana ratra maro ihany koa ny vatany ary nahitana ra niparitaka manodidina azy. Nahitana finday iray, heverina ho avy nangalariny ihany koa teny aminy. Raha ny tatitra voaray avy amin’ny mpitandro filaminana, tratran’ny olona nanao sinto-mahery sy nangalatra teny an-toerana izy io ary niharan’ny fitsaram-bahoaka ka izao maty izao. Andian-dehilahy maro no hitan’ny olona nikasa hangalatra sy nanao sinto-mahery ary nikasa hamaky trano teny an-toerana, omaly tamin’ny 2 ora maraina tany ho any, raha ny fanazavana voaray teny an-toerana. Niantso vonjy avy hatrany ny olona nahatsikaritra izany. Tsy niandry ela fa tafavory haingana nanenjika ireto olon-dratsy ireto ny mpianatra teny an-toerana. Tafaporitsaka ny efatra tamin’ireo jiolahy raha toa ka azo sambo-belona kosa ny iray tamin’izy ireo. Efa feno hatezerana ireo olona nahatratra ity farany ka namely totohondry sy daka ary nitora-bato azy. Tsy navelan’izy ireo raha tsy naratra mafy ary niala ny ainy. Navelan’izy ireo teo amin’io kianja fanaovam-baolina io moa ilay olon-dratsy taorian’izay.
Navela teo amin’ny kianja
Olona nandeha maraina no nahita ilay lehilahy nivalampatra sy nihoson-dra ka niantso sy nampandre ny tomponandraikitra tamin’ny 6 ora maraina. Tonga teny an-toerana avy hatrany ny polisim-pirenena avy amin’ny CSP2 Ambohijatovo taorian’ny antso, nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana. Tonga teny an-toerana ihany koa ny tomponandraikitra avy amin’ny CrouA. Marihina fa anisan’ny toerana ahitana mpangalatra matetika eny amin’ny Cité Universitaire Ankatso II, raha ny fanazavana voaray hatrany. Efa nisy ny mpangalatra tratra nodoran’ny mpianatra velona, nodarohana ary saika niala hatramin’ny aina raha tsy tonga haingana ny mpitandro filaminana. Andrasana ny tohin’ny raharaha, izay iandraiketan’ny Brigade Criminelle Anosy.
Mino