Adin’ny mpirahalahy : Telo mianaka voarasarasa antsy

Raim-pianakaviana iray sy ny zanany roa lahy namoy ny ainy tao amin’ny kaominina Antsatramidola, omaly. Rahalahiny no nahavanon-doza.

Zazalahy 4 taona, 6 taona ary ny rainy niara-maty voakapakapan’ny antsy tao Mahambolona, kaominina Antsatramidola, distrikan’i Mandritsara, omaly maraina. Nifamaly tamin’ny rainy ny lehilahy iray noho ny resaka lova, araka ny loharanom-baovao. Norahonan’io lehilahy io ny rainy, afakomaly. Na­metraka fitoriana teny anivon’ny  mpitandro filaminana ilay raim-pianakaviana.  Nikasa handamina ny savorovoro misy eo amin’ny fianakaviana ny zokin’ilay lehilahy nandrahona ny rainy io. Tsy nanampo na inona na inona ilay zokiny. Nivoaka naka antsibe ilay zandriny. Norasara­sainy antsy ny rahalahiny 52 taona. “Nokapain’io lehilahy io antsy avy hatrany ilay zokiny”, hoy ny vavolombelona nanatri-maso ny zava-misy tao an-toerana. Nisaraka tanteraka ny lamosiny.

Zaza nilalao
Lasibatry ny habibiana nataon’ny rahalahin-drainy koa ireo zaza roa nilalao teo an-tokotany. Voarasa antsy ny lamosina, ny lohan’iray raha toa ka tapaka ny tendan’ny iray voakapa tao amin’ny hatony. Vokany, namoy aina avokoa ireo telo mianaka. Tafatsoaka ilay rain’ny nahavanon-doza izay mbola nokasainy hovonoina. Noraisin’ny mpitandro filaminana an-tanana ny fiarovana ny ainy.  Karohina io lehilahy namono ny rahalahiny sy zana-drahalahiny io. Mikaroka azy rahateo ny fokonolona. Lonilony nateraky ny ady lova no heverina ho nahatonga ny loza, araka ny fanampim-panazavana. Anatin’ny famotorana tanteraka ny polisy miasa ao Mandritsara. Andrasana ny tohin’ny raharaha.

Tsiferana R.

Partager sur: