« Aero Expo 2025” : Nampiseho ny fahaiza-manaony ny Tafika ana habakabaka

Miandry ny tohiny ny rehetra! Na roa andro monja aza, nahafantaran’ny mpitsidika ny momba ny Tafika ana habakabaka sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy ny “Aero Expo 2025”…

Nifarana omaly ny hetsika fampirantiana “Aero Expo 2025” teny amin’ ny tobim-pamaharan’ny Tafika ana habakabaka Base 213 – Escadron hélicoptère Ivato. Fampirantiana ivondronan’ ireo mpisehatra maro amin’ny tontolon’ny habakabaka izay nokarakarain’ny Tafika ana habakabaka Malagasy niarahana tamin’ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka ara-panjakana sy ny sehatra tsy miankina aminy. Nanoka­tra izany tamin’ny fomba ofisialy ny minisitry ny Foloalin­dahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, izay nidera manokana ny fahasahiana entin’ireto vondron-tafika ireto nikarakara ny hetsika. « Mi­tory ny fahavonan’ny rehetra hampivelatra ny sehatry ny fitaterana ana habakabaka ny fahatontosana izao hetsika izao, iarahan’ny mpisehatra rehetra », hoy ny MFA. Nen­tina nanamarika ny fanoka­fana izany tao amin’ny tobim-pamaharan’ny Tafika ana habakabaka ny filatsahana anelonaina nataon’ireo miaramila Commando. Naneho fi­saorana an’ireo mpiara-miombon’antoka tamin’ny fanohanan’izy ireo ny lehiben’ny Eta­mazaoron’ny Tafika ana habakabaka. Marihina fa naharitra roa andro ny fampirantiana, nahitana tranoheva 19, izay misehatra amin’ny tontolon’ny fitaterana ana habakabaka. Nahitana lalao samihafa ihany koa teny an-toerana, nahafahan’ny mpianakavy nandray anjara. Niavaka ny fisian’ny antsapaka nahazoana sidina maimaimpoana amin’ny fiaramanidin’ny Tafika ana habakabaka sy ny filatsahana anelonaina olon-droa miaraka.

Jean Claude

Partager sur: