Raha manao, hono, no tsy ambinina, ampisambory fa havana ory; raha miraviravy tanana, avelao hivarina amin’ny tany. Eo koa ny hoe Zanahary tsy mitahy mandry. Tsy toe-tsaina malagasy ny miandry ampiana: manao ariary zato am-pandriana. Na manantena harin-drahalahy. Na ahoana na ahoana, misy izany no mendrika ampiana: izay mihetsika, izay manao tsy ambinina… Na izany aza, misy ihany koa ny ory ampiana toa vehivavy. Na ampirafesina… Tonga namana vao mavomavo toy ny ranon’Ikopa. Nefa misy koa ny miezaka amin’ny ataony vao tsy mety mahita fahombiazana. Nahoana?
Izay tsy fahitam-pahombiazana amin’ny atao izay no anisan’ny mahasarotra sy mafy ary ela ny hoe fampandrosoana? Misy firy tao-maty, ohatra, no mihetsika na manao zavatra eo amin’ny sehatra misy azy, nefa ny eo ihany no eo. Miditra fatiantoka aza indraindray… Am-boalohany, ohatra, no manao zavatra tsara; avy eo, mihamikororosy fahana izay atao rehefa heverina ho mandeha na mandroso. Miara-dalana ho azy amin’izany ny hoe tsy mandroso mandrakariva amin’izay atao fa malaky mionona: tsy mikaroka, tsy manitatra… Nefa saika mihazakazaka avokoa ny hafa manodidina ny tena. Mby amin’ny hoe izay tsy mandroso, mihemotra. Ifaninanana ny fandrosoana, ifankaherezana…
Anisan’ny fepetra takina amin’ny fampandrosoana ny fahasahiana miova sy manova, ny fiaretana sy faharetana amin’izay atao… Any amin’ny toe-tsaina sy ny fijery ary ny fomba fiasa no anombohana izany? Izay vonon-kiova na miova no afa-kanova, izay liam-pandrosoana no azo sy mora ampandrosoana… Ary izay tsara ampiana? Izay tsy miantehitra amin’ny hafa nefa mety hahavita be izany, na tsy mora mianina amin’izay natombony na ataony… Izay no hoe mandroso? Na mampandroso… Alao hery àry!
R. Nd.