Nandriaka ny ra, nirefodrefotra ny basy tetsy Anosibe, ny zoma teo, tamin’ny 2 ora maraina. Jiolahy telo lavon’ny balan’ny polisim-pirenena avy amin’ny Service anti-gang (SAG) tamin’izany. Mpitandro filaminana ny iray tamin’izy ireo, izay mbola nanao fanamiana maha mpitandro filaminana azy. Nahitana fitaovam-piadiana toy ny basy roa tany amin’izy ireo, rehefa nosavaina. Nikasa hanafika tranombarotra iray tetsy Anosibe ireto olon-dratsy ireto tamin’io fotoana io. Nanao vela-pandrika avy hatrany ny mpitandro filaminana rehefa nahazo antso avy amin’ny olon-tsotra. Efa nisy nahita nihaodihaody teny an-toerana ireo jiolahy ireo ny maraina ary niverena ny alina. Nifanehitra tamin’ny mpitandro filaminana ny andian-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika. Raikitra ny fifanjevoana sy fifanenjehana teo amin’ny roa tonta. Nandositra ireto olon-dratsy vao nahatazana ny mpitandro filaminana ary nitifitra avy hatrany. Manoloana izany, namaly tifitra avy hatrany ireo polisy ka izao nahalavo ireto jiolahy telo ireto izao. Tafaporitsaka nandritra ny sakoroka ny namany hafa. Mbola mitohy ny fikarohana ireo namany sy ny jiolahy hafa miriaria any. Marihina fa andian-jiolahy efa ela nokarohina ireto lavo ireto, raha ny fanazavana voaray hatrany.Tafiditra ao anatin’ny fampandriana fahalemana izay ataon’ny mpitandro filaminana izao hetsika izao.
Mino