Rabenaivo Alain Paul, mpikirakira ny fanatanjahantena ao amin’ny Gazetiko indray no lany hitantana ny Firaisan’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena eto Madagascar (UJSM), ho an’ny taom-piasana manaraka. Vita ny sabotsy teo, tetsy amin’ ny Efitranon’ny Holafitry ny mpanao gazety Ambohidahy, ny fifidianana. 65 ireo mpikambana nanan-jo hifidy sy handatsa-bato tamin’izany.
Nahazo vato 40 i Alain Rabenaivo raha 18 kosa ny an’i Serge Rasanda, filoha teo aloha. Nanambara ny mpitantana vaovao fa ny fiaraha-miasa amin’ireo rantsamangaika rehetra, ligy, federasiona, komity olympika, minisitera ary ireo mpanohana no fototra hiaingana hampandrosoana ny fanatanjahantena. Mila ny fiaraha-miasan’ny rehetra ihany koa ny tenany fa tsy ho vitan’
izy samirery ny hitondra ny fikambanana. Manana 15 andro ny filohan’ny UJSM hananganany ny komity mpitantana hiara-kiasa aminy ho an’ny 4 taona manaraka. Andrasana ao anatin’izany koa ny fifamindram-pahefana eo amin’ny filoha roa tonta.
Tompondaka