Baolina kitra – « Ligue des champions d’Europe »: Anaram-boninahitra voalohany ho an’ny PSG

Nanakoako manerana an’i Eoropa sy izao tontolo izao mihitsy ny anaran’ny Paris St Germain, ny sabotsy alina teo. Voahosotra ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra, ry zareo. Voalohany eo amin’ny tantarany no nahazoany izany ary izy irery no ekipa voalohany nahavita nanao isa tataka tamin’ny famaranana.

Mipetraka ho tantara tsy hay kosehina eo amin’ ny baolina kitra pari­zianina ny datin’ny sabotsy
31 mey 2025. Norombahin’ny Paris St Germain mantsy ny tompondakan’i Eoropa “ligue des champions”, taranja bao­lina kitra. Resiny teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa ma­vesatra 5 no ho 0, ny Inter de Milan. Fihaonana notantera­hina tao amin’ny Kianja Allianz Arena, Munich Allemagne.
Fotoana ela no nandrasan’ ny frantsay izany ka izao azony izao ary voalohany eo amin’ny tantarany. Tsy namaly ny hetahetan’ny mpitia baolina kitra maneran-tany ny famaranana satria nataon’ny PSG telimoka fotsiny ry zareo Italianina. Tsy na­hatohitra mihitsy ary tsy nahavita naneho ny tena endri-dalaony, hatramin’ny segondra farany, ny Inter de Milan. Vao teo amin’ny minitra faha-12 dia efa nanokatra ny isa i Hakimi. Tsy nijanona teo fa mbola nampian’i Desiré Doué, minitra faha-20. Io isa 2 no ho 0 io no nentin’ny roa tonta niala sasatra.
Fizaram-potoana faharoa, niezaka nanindry ny Italianina saingy minitra vitsy ihany. Na izany aza, tsy nisy ny baolina nampatahotra ny parizianina. Minitra faha-63, nanampy isa fanintelony i Doué. Teo dia efa nazava ny lalana ho an’ny PSG. Tsy nionona tamin’io ry zalahy fa mbola namono baolina fahefatra i Kvaratskhelia ary nofaranan’i Senny Mayululu, teo amin’ny minitra faha-86. Ny PSG irery hatreto no hany ekipa nahavita nandresy tamin’ny isa 5 no ho 0, tamin’ny famaranana ny “Ligue des champions”. Ankoatra ny amboara sy ny medaly volamena, notoloran’ny UEFA vola 148, 117 tapitrisa euros ny PSG.

Tompondaka

 

Partager sur: