Tontosa soa aman-tsara ny fifidianana izay ho filoha hitantana ny firaisan’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena eto Madagasikara (UJSM). Nahazo filoha vaovao indray ny mpikirakira ny fampahalalam-baovao ara-panatanjahantena. Tsy mora ny asa miandry ny mpitantana amin’izao taom-piasana manaraka izao. Enga anie, ny ekipa miaraka aminy tsy hanao toy ny ranotrambo, be fiavy fa mora ritra.
Efa niova ho firaisana izy ankehitriny fa tsy fikambanana intsony. Asa, mety ho fifandrifian-javatra ve, ny nanovana ny anarana sa tonga amin’ilay vazivazin’ny sasany fa fika mba (ha)nanana. Na izany aza, aoka koa tsy ho fy iraisana fa ho fy iraisan-(t)saina. Ny firaisan-tsaina mantsy no mampandroso.
Mahaleovà, mahalasana, fa tsy misy mafy tsy laitry ny zoto. Lalina ny rano fa azo lakanina, maizina ny andro fa azo tsilovina. Raha tsy mety ny atao azo ovaina. Mila fy iraisan-(t)saina ny mpiara-miasa rehetra. Aoka tsy hanao tsobo-dranon-dRamiangaly, raha marivo irobohana fa raha lalina ialana. Tsy hanao andran-boankazo an’ala, raha mangidy aloa, raha mamy atelina. Andraikitra efa nekena io, efao sy tanteraho amin’ny sakany sy amin’ny lavany. Aza atao fy iraisana fa ho fy iraisan-(t)saina.
Tsy toeram-boninahitra io fa toeran’ny asa. Ianareo izao no monina amoron’ala, mahita ny hazo mahitsy hokapaina. Ianareo no monina amoron-drano mahita ny marivo hirobohana ary mipetraka amoron-kady ka mahafantatra ny tevan-dalina hiviliana. Tsy hoe tsy nahomby akory ny mpitantana teo aloha fa fiovana fotsiny koa ny maharesy tsy hobiana ny resy tsy akoraina. Aza atao fy iraisana fa ho fy iraisan-(t)saina.
Tompondaka