Famokarana sy fivarotana toaka gasy : Mitaky kalitao tsara ireo depiote

Tsy mbola mifarana eo! Nitondra fanazavana momba ny tolo-dalàna amin’ny famokarana sy famarotana toaka gasy ny filohan’ny Vaomiera misahana ny lalàna eo anivon’ny Antenimierampirenena, ny solombavambahoaka voafidy tao Farafangana, Raby Sava­tsarah. Nambarany fa betsaka ireo toerana sy faritra tena mamokatra azy io. Notakiny, araka izany, ny hiarovana io seha-pihariana io. “Mila fiarovana ireo mpisehatra rehetra ao anatin’izany fa indrindra ireo mpanjifa amin’ny alalan’ny fanomezan-danja ny kalitao, miainga avy any amin’ny mpamokatra”, hoy izy.
Nambarany ihany koa fa tena ilaina ny fanaovan’ireo mpamokatra ny famantarana manokana « étiquettage » ny vokatra. Eo amin’ny vidin’izany kosa, ny lalàn’ny fanjifana sy ny famokarana no mametra izany, eny an-tsena, araka ny nambarany. “Tombony ho an’ny mpamokatra ny fiakaran’ny vidiny ary afaka hifaninana amin’ireo vokatra avy any ivelany ny toaka vita malagasy”, hoy ihany izy.
Niaiky anefa ny tenany fa tsy midika ho baranahiny ny fahalalahana sy ny fivarotana ny toaka gasy. Tokony hisy ary hapetraka mazava ny lalàna mifehy ny famokarana sy ny fanjifana izany.
Tsiahivina fa mbola haroso hodinihin’ny Antenimierando­holona ny tolo-dalàna rehefa lany teo anivon’ny Antenimie­rampirenena, raha ny dingana lalovana, araka ny lalàna, momba ity toaka gasy ity. Mbola handalo fankatoavana eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana koa izany aorian’ireo dingana ireo.

Synèse R.

Partager sur: