Fankalazana ny fetin’ny 26 jona : Hitarika ny fananganan-tsaina ny filoha Rajoelina Andry

Hosokafana amin’ny fomba ofisialy, anio, ny hetsika fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantena sy ny nijoroan’ny Foloalindahy Malagasy. Homarihina amin’ny hetsika maro izany manomboka izao.

Hisantarana izany ny fananganan-tsaina azon’ny rehetra atrehina etsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely, ho an’ny eto An­tananarivo Renivohitra. Hita­rika ny lanonana amin’izany ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Hisy ny fanentanana samihafa ny amin’ny tokony hananganan’ny rehetra ny sainam-pirenena, manomboka amin’io 2 jona io ary haharitra iray volana izany. Hifarana ny 2 jolay ho avy izao.
Hanamarika izany fankalazana ny fetim-pirenena izany koa ny fitokanana ny tsangambaton’ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantena sy nijoroan’ny Foloalindahy. Ani­san’ny hankalazana izany ny “Carnaval” lehibe, handraisan’ny faritra 24 anjara. Eo koa ny matso lehibe fanao isan-taona ka hampiavaka izany ny fanamiana vaovao ho an’ny eo anivon’ny Foloalindahy.

Afomanga, “Poduim”, kerimesy…
Manampy izany ny afomanga eny amin’ny Lac Iarivo, Tsarasaotra, sy ny seho an-tsehatra “Podium”. Eo koa ny hetsika ara-panatanjahantena, ny kerimesy sy ny diaben’ny Hery fiarovana sy filaminana. Samy hanamarika izany amin’ny alalan’ny hetsika ara-kolontsaina koa ny eny anivon’ny faritra.
Ankoatra izany, hisy ny fotoam-pivavahana eny amin’ny advantisa sy ny eo anivon’ny finoana silamo ary koa ny avy amin’ny FFKM.
Araka izany, miantso ny vahoaka malagasy hanatrika sy haneho firaisankina amin’ny alalan’ny fanehoam-pitiavan-tanindrazana ny komity mpikarakara ny hetsika fankalazana ny fety niverenan’ny Faha­leovantena.

Synèse R.

Partager sur: