FANTINA sy FINTINA

Hivelatra kokoa amin’ny sehatra hafa ny fifandraisana eo amin’ i Madagasikara sy i Rosia. Anisan’ny nivoitra izany tamin’ny fihaonana teo amin’ny mpiraki-draharaha vonjimaika, i Alexeï Buriak, sy ny mpanolotsaina diplaomatika ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Patrick. Voaresaka koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta.

Nandray ny solontena eo anivon’ny Franko­fonia (OIF), aty amin’ny ranomasimbe Indianina, Christeal Laurentiu Traian, ny filohan’ny Antenimie­randoholona, Ravalomanana Richard. Noresahana tamin’izany, ny fampiofanana ny fifehezana ny teny frantsay. Voatsiahy koa ny maha mpikambana ity andrimpanjakana ity eo anivon’ny “Assemblée parlemantaire de la Francophonie”.

Niompana amin’ny fampandraisana anjara ny tanora amin’ny fitantanana amin’ny alalan’ ny Parlement régional des jeunes de l’Indianocéanie (PRJIO) ny fivorian’ny Fikambanan’ny antenimiera ao amin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (AP-COI). Natao tatsy Maorisy, ny herinandro teo, izany. Teo koa ny fizarana traikefa sy ny niomerika…

Manahy ny mbola hitohizan’ny fahantrana ny eo anivon’ny Bad. Nivoitra tamin’ny tatitra momba ny toekarena aty Afrika, nataon’izy ireo, izany. Vitsy koa ny famatsiam-bola ary mitarazoka ny fampandrosoana ny indostria. Eo koa ny fiakaran’ny tahan’ny fahantrana. Mbola manampy izany ny faharatsian’ny toetr’andro sy ny olana jeopolitika maneran-tany.

Partager sur: