Tontosa soa aman-tsara tetsy amin’ny Kianja mitafon’ ny Ankoay Ankorondrano, ny famaranana niadiana ny ho tompondakan’ny faritra faha-7, taranja handball, sokajy zandriny, zazavavy, na “IHF Trophy”. Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny sokajy U17 ny Akio de Madagascar. Resin’ izy ireo teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 29 no ho 20, i Comores. Nitarika tamin’ ny isa hatrany ny tovovavy malagasy tamin’io fihaonana io. Teo amin’ny 10 minitra voalohany ihany no hany nahatohitra ny mpilalaon’ny Akio ny kaomorianina fa taorian’izay, nofehezin’ny Malagasy ny fihaonana. Nisongadina ihany koa, teo amin’ny tanjaka sy ny hakingana, ny Akio de Madagascar. Mailaka ireo mpilalao tamin’ny tolotolotra haingam-pandeha sy ny valim-panafihana ka nahazoany tombony teo amin’ny famonoam-baolina.
Ho an’ny U19 indray, niondrika teo anatrehan’i La Réunion, tamin’ny isa 29 no ho 22, ny Akio de Madagascar. Niady ny fihaonana ary tsy nanaiky hatramin’ny farany ny tovovavy malagasy, notarihin-dry Nantenaina sy Thacia ary i Fifaliana. Anisan’ireo nisongadina ary nanavotra ny baolina tsy ho faty betsaka i Diadema, mpiandry tsatoby. Tombony ho an-dry zareo renionezy ny haben’ny vatana sy ny fahazarana fihaonana goavana. Hita tamin’ny endri-dalao nasehon’izy ireo ny traikefa miatrika izany.
Hiatrika ny fiadiana ny “IHF Trophy continental”, tanterahina any Tunisie, ny volana septambra, izany ny Akio U17 sy i La Réunion U19. Ankoatra izay, hanao ny Can ny Akio de Madagascar roa tonta.
Tompondaka