Iray volan’ny ankizy : Ray aman-dreny mandray andraikitra

Natokana ho iray volan’ny ankizy ity volana jona ity. Ni­tondra hafatra mahakasika izany ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie. Nanao fanairana ho an’ ireo ray aman-dreny izy mba ho tomponandraikitra feno amin’ ny fitaizana sy ny fiarovana ny zaza anaty fanabeazana feno fitiavana hananany fahatokisan-tena. Lohahevitra voizina rahateo ny hoe: “Ray aman-dreny mandray andraikitra, zaza voaaro sy mizaka ny zony”.
Raha misitraka tsara ny zony ny ankizy dia afaka manomana tsara ny hoaviny.
Tsy azo hodian-tsy hita anefa ny karazana herisetra mihatra amin’ny ankizy, toy ny fanolanana, vono, fanariana zanaka.
Fotoana izao hanairana ny ray aman-dreny sy ny fiarahamonina amin’ny fandraisana andraikitra hanome tontolo azo antoka ivelaran’ny ankizy sy hisitrahany ny zony, ho lavitry ny herisetra sy ny fanararaotana amin’ny endriny maro.
Hisy ny fanamarihana ny iray volan’ny ankizy manerana ny Nosy, saingy eny Ambohidratrimo kosa no hanaovana ny ivon’ny fankalazana.

Tatiana A

Partager sur: