Lavon’ny balan’ny zandary tany Antonibe, omaly tamin’ny 4 ora maraina, ny jiolahy fantatra amin’ny anarana hoe Lekoera. Voatifitry ny mpitandro filaminana tany Fiadanana Ambatolampy, kaominina ambanivohitra Bemaitso Andilamena, an-dalana hanoro ny misy ireo namany, izy io, rehefa nikasa handositra. Voasambotra tany Antsamala fokontany sy kaominina Antonibe ity olon-dratsy ity, ny sabotsy teo tamin’ny 5 ora maraina, raha ny antso voarain’ny kaomandin’ny tobim-paritra Antonibe. Avy nanafika mpandraharahara iray tany an-toerana izy ary lasany tamin’izany ny vola mitetina 4 000 000 Ariary. Niaiky ny heloka vitany izy ary vonona hanondro ny namany, nandritra ny fanadihadiana nataon’ny zandary. Voatonona tamin’izany ny namany antsoina hoe: Lesivy. Nasaina nanoro ny toerana misy ireo voalaza izy. Nandritra izany, nanararaotra nandositra ity jiolahy ity, antony nahatonga ny mpitandro filaminana nitifitra azy. Tsy tana ny ainy vokatry ny ratra mafy nahazo azy.
Fantatra fa anisan’ny jiolahy efa mpamerin-keloka sy efa ela nigadra izy io. Tafiditra ao anatin’ny fikambananan-jiolahy atao hoe: « Groupe de bandit telma » izy io, raha ny fanazavana voaray.
Mino