Tafiditra ao anatin’ny paikady nasionaly hanomezana fiofanana maimaimpoana sy misokatra ho an’ny rehetra ny hetsika “Fijery hafa”. Anjaran’ ny faritra Matsiatra Ambony ny nandray izany. Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny Gymnase couvert Ambatomena- Fianarantsoa, ny fanokafana. Nitarika ny lanonana ny minisitry ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline. Nanome endrika sy hasina manokana ny hetsika ny sokela sy ny seho ara-kolontsaina isan-karazany mampiavaka ny faritra.
Nasongadin’ny minisitra tamin’ny lahateniny fa zava-dehibe amin’ny fampandrosoana ny fanofanana arakasa satria io no fototra ahafahan’ ny tanora mivelatra sy mahaleo tena ary mampandroso ny toekarena ao an-toerana. Nandritra ny lanonana, nisy ny fanomezana mari-piofanana ho an’ireo tanora 1 020 avy amin’ny ivontoeram-pampiofanan’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, tamin’ny sehatry ny zaitra, sakafo, fampivoarana manokana ary informatika.
Taorian’izay, nitety ireo tranoheva fampirantiana ireo ivontoeram-panofanana misy ao an-toerana izy. Ho an’ny “Fijery hafa”, taranja maro no nisafidianan’ireo tanora: zaitra sy petakofehy, fiompiana, informatika, taotrano… fanamboarana mofomamy sy nahandro. Ho tolorana mari-piofanana aorian’ny fiofanana izay miatrika izany.
Vonjy