« Play lisitra » : Mivelatra hatrany ny rap

Ny faran’ny herinandro teo, notontosaina tao amin’ny Kianja Barea Mahamasina-Zone P2 ilay fampisehoana «Play lisitra». Tanora maro no voasariky ny mozika rap. Malalaka rahateo ny toerana. Endrika iray maneho fa mivelatra hatrany ity zavakanto sy kolontsaina iray ity. Nahatazanana izany, teny an-toerana ihany koa, ny fisian’ny fiarahana teo amin’ny samy mpankafy. Samy mahay tononkira. Miara-mientana amin’ny eny an-tsehatra…
Fantatra sy tsikaritra nandritra ity fampisehoana ankalamanjana «Play lisitra» ity ihany koa ny fananan’ireo tarika nifandimby tononkira mafonja mampita hafatra ho an’ny sokajin-taona sy sehatra samy hafa. Tao ireo nifono anatra ho an’ny mpifankatia. Ny manolotra soso-kevitra sy mankahery ho an’ ireo izay mitady ho kivy eo amin’ny fiainana. Ny misava sy mi­tari-dalana ny tanora hizotra any amin’ny lalana marina hatrany na eo aza ny rendrarendra sy ny haitraitran’ny fiainana.
Noporofoin’ireto tarika mpanao rap ireto fa afaka manabe sy mitaiza ny rap. Tanora rahateo ny maro amin’ny mpitia rap.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: