Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus By-Pass, ny lalao ampahefa-dalana miverina amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, « World Cola PFL », taranja baolina kitra. Nihintsana ny tompondaka farany, Disciples FC Vakinankaratra, rehefa nanao ady sahala 0 no ho 0 tamin-dry zareo miaramila Cosfa. Tsiahivina fa nanatombo tamin’ny isa 2 no ho 0, ny klioban’ny Cosfa tany amin’ny fihaonana mandroso. Maro dia maro ny baolina tokony ho tafiditry ry Dahery sy i Tsila, mpilalaon’ny Disciples FC , afakomaly iny, saingy tsy nahita masona harato. Ankoatra izay, mbola manohy ny diany amin’ity fifanintsanana nasionaly ity ny tompondaka lefitra, Elgeco Plus Analamanga. Tafita any amin’ny manasa-dalana izy ireo rehefa nanao ady sahala 0 no ho 0, tamin’ny Ajesaia Bongolava. Tsara ny mampahatsiahy fa nandresy ny Ajesaia, 1 no ho 0, ny Elgeco Plus, teo amin’ny fifanandrinana voalohany. Ity klioba avy eto an-dRenivohitra ity, izay maniry ny handrombaka ny PFL, amin’ity taom-pilalaovana 2025 ity. Ankoatra izay, tafita any amin’ny manasa-dalana koa ny Mama FC sy ny CFFA Andoharanofotsy.
Fitia Randria
Voka-dalao rehetra : Disciples FC (0)-(0) Cosfa Elgeco Plus (0)-(0) Ajesaia Mama FC (1) -(1) Fosa Juniors (tab : 4 -2) CFFA (0)-(1) As Fanalamanga (tab : 9-8)