Sampana fanantenana – Fiangonana FPVM: Ratsy ny sigara sy ny zava-mahadomelina

Ho fanamarihana ny 31 mey, andro natokana tsy hifohana sigara maneran-tany, nanao hetsika fanentananana, ny faran’ny herinandro teo, teny Analakely, ny Sampana fanantenana eo anivon’ny fiangonana FPVM manana tarigetra miady amin’ny zava-mahadomelina.

300 ny mpikambana ao amin’ny sampana, ahitana ankizy manomboka eo amin’ny 5 taona hatramin’ny olon-dehibe. Fitaizana ny tanora sy ny ankizy dieny mbola kely hifady zava-mahadomelina ny andraikitry ny sampana. Miaraka amin’ny fanabeazana ara-tsaina, ara-panahy ary ara-batana ao anatin’ny fikambanana ny fitaizana. Ankoatra ny fanenta­nana, ny faran’ny herinandro teo, misy hetsika indroa isan-taona hanaovana zavatra amin’ ny tanàn-dehibe ankoatra ny eto Antananarivo, hanenta­nana ny olona amin’ny tokony hialana amin’ny zava-mahadomelina amin’ny ankapobeny. “Isaky ny volana aogositra kosa ny any amin’ny faritany ny hetsika lehibe ao anatin’ny tafika masina ampiarahana amin’ny fanentanana momba ny ady amin’ny zava-mahadomelina”, hoy ny mpikambana iray amin’ny biraon’ny sam­pana fanantenana, Miora Hanitriniala.
Andiany faharoa ny zavatra naseho teny Analakely, azo tsapaina ny vokatra satria betsaka ny olona te hiala amin’ ny sigara sy zava-mahadomelina manatona. Vahaolana voalohany atolotry ny sam­pana ny fitaizana ara-panahy, ahafahany miala amin’ny zava-mahadomelina. Tena betsaka ny olona miditra amin’io sehatra io sady mora ny fidirana aminy raha sarotra kosa ny miala aminy ary vitsy no afaka tanteraka.
Araka ny antontanisa nam­baran’ny OMS, 10 tapitrisa isan-taona ireo olona maty vokatry ny fifohana sigara, maneran-tany, ary antony mahatonga ny taham-pahafatesana be indrindra ny sigara.
Tamin’ny alalan’ny “mime” mifono fanentanana no nitondran’ny tanora hafatra momba ny faharatsian’izany. Toy ny fanao mahazatra, mifampi­zara manerana an’Antanana­rivo ny mpikambana ka nanaparitaka “autocollant” hatrany Ambohimangakely hanentanana momba ny ady amin’ny sigara sy ny zava-mahadomelina.

Vonjy

Partager sur: