Norombahin’i Suchata Chuangsri, tovovavy mpifaninana avy any Thaïlande, ny anaram-boninahitra «Miss Monde 2025». Izy izany no tsara tarehy sy tsara bika ary nahafeno ny fepetra rehetra notakin’ny fifaninanana. 22 taona izy, efa nahazo loka maro teo amin’ ny tontolon’ny hatsaram-bika sy endrika tamina fifaninanana notontosaina tao amin’ny tanindrazany.
Mitombo andro aman’alina ireo tanora mirotsaka eo amin’ny fanoratana. Matetika, tononkalo no ataon’izy ireny. Fantatra, araka ny dinika nifanaovana tamin’ireo tanora mpanoratra ireo, fa mbola olana amin-dry zareo ny ahafahany manaparitaka ny sanganasany. «Tsara ny Facebook, saingy, mbola hafa ihany ny boky…», hoy i Salohy RH, mpanoratra anisan’ny nanakorisa ny peniny raha mbola vao 12 taona monja.
Manao tsianjery ny mpikabary ankehitriny. Anisan’ireo tsikera miverimberina rehefa misy ny diniky ny mpikabary, tanora sy ireo efa manana traikefa. Dingana tsy maintsy lalovana ny tsianjery, hoy indray ny hafa. Na eo na tsia ny tsianjery, tsapa sy heno ihany fa tsy mahafehy loatra ny fonosin’ny teny malagasy ny tanora sasany, hany ka manjary misy adihevitra vaovao indray mipoitra.
Miditra ny vanim-potoan’ny ririnina. Manaraka izany ihany koa ny fanatontosana ireo karazana fomba samihafa. Didim-poitra na hasoavan-jazalahy, ny famadihana, sns, raha ho an’ny eto anivon-tany. Miasa mafy ny mpihiragasy! Na izany aza, antso avo no ataon’izy ireo ny amin’ny tokony hisian’ny fandriampahalemana any amin’ireny lalana alehan’izy ireo ireny.