Vaindohan-draharahan’ny fandaharanasan’ny QIT Madagascar Minerals (QMM) ny fikajiana ny tontolo iainana ao anatin’ny asa fitrandrahana ataony. Misy ny fepetra takina sy tokony harahina momba ny « Projet Environmental Management Plan (PGEP)”, talohan’ny fahazoan-dalana azony ny taona 2001. Takina amin’ny kaompania ny hampiharana ny fenitry ny tontolo iainana E16 an’ny Rio Tinto izay mifandraika amin’ny fiarovana ny karazan-javamananaina sy ny fitantanana ny harena voajanahary azo havaozina. Nametraka faritra arovana ny tetikasa araka ny rafitra napetraky ny Union internationale pour la conservation de la nature (UICN). Ahitana ny Mandena mirefy 230 ha, Ambatoatsignana ka hatrany Magnafiafy Sainte Luce, manana velarana 818 ha ary ny ao Petriky, mirefy 125 ha. Ireo no faritra arovana voalohany eto Mada-gasikara tantanin’ny orinasa mpitrandraka iarahany amin’ ny mponina eny ifotony (Cogema) ho an’ny ao Mandena. Miaraka amin’ny Fikambanan’ny mpiara-mitantana ny alan’Ambatoatsignana (Fimpia) kosa ny orinasa ho an’ny faritra arovana ao Ambatoatsignana. Miara-miombon’antoka amin’ny mpiara-mitantana ny alan’i Petriky (Fimpiap) kosa izy ho an’ny ao Petriky. Voarafitry ny lalàna 2015-005 momba ny fehezan-dalàn’ny faritra arovana (Coap) ny fitantanana ireo faritra ireo.
Vina
Tanjon’ny QMM ao amin’ ny asa fitrandrahana ny mijery ny tombontsoa ho an’ny fiarahamonina, ny fikajiana ny tontolo ianana amin’ny alalan’ny fampiasana ny angovo azo havaozina. Ny famerenana ny ala sy ny fiarovana ny karazan-javamananaina ihany koa izay tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa RSE ny tetikasa ary ny fampandrosoana ny toekarena.
Henintsoa