TSELATRA

Taxi-be iray nirehitra teo amin’ny Jovena Anosizato Andrefana, omaly atoandro, tamin’ny 11ora sy sasany. Nifarimbona namono ny afo ny avy amin’ny zandarimaria teny an-toerana sy ny eo amin’ny tobin-tsolika. Nampiasana fasika sy extincteurs roa ny famonoana izany ary voafehy haingana. Tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny loza. Tsy nisy naratra, tsy nisy koa ny aina nafoy.
Hiakatra fampanoavana anio, etsy amin’ny Fitsarana Anosy, ireo olona tratra nanendaka sy nangarom-paosy, nandritra ny Tsenabe fivoarana, andiany faharoa, natao tany Miakadaza Imerintsiatosika, ny herinandro teo. Nitory azy ireo ny depioten’Arivonimamo, Rajerison Antoine. Avy eny Tanjombato, Anosibe, Antohomadinika, Andrefanambohijanahary sy Ampitatafika ireto mpanao asa ratsy ireto.

Partager sur: