Toy ny isam-bolana, miovaova hatrany ny vidin-tsolika eto Madagasikara ho fampiharana ny vidiny tena izy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ho an’ny volana jona, nahitam-piakarany 10 Ar ny litatramin’ny lasantsy, miakatra hatrany koa ny vidin’ny solika fandrehitra.
Niova ny alin’ny sabotsy hifoha alahady teo ny vidin-tsolika manerana ny Nosy. Ho an’ity volana jona ity, lasa 5 520Ar/l ny lasantsy, raha 5 510Ar/l izany teo aloha. Izany hoe, nahitam-piakarana 10 Ar na 0,18% tamin’ny vidiny teo aloha. Jifaina 5 100Ar/l kosa ny gazoala. Nihena 70 Ar na 1,35% tamin’ny vidiny nandritra ny volana mey izany, izay 5 170Ar/ l. Tsy mitsaha-miakatra kosa ny vidin’ny solika fandrehitra eto amintsika, ahitam-piakarany hatramin’ny 200 Ar, izany hoe, 6,19% tamin’ ny vidiny teo aloha ny litatra amin’izao fotoana, izay lasa 3 430Ar raha toa ka namidy 3 230Ar. Manankery mandritra ity volana ity ireo vidin-tsolika vaovao ireo izay nandiso fanantenana ny mpanjifa taorian’ny fanambarana nataon’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo ny volana mey teo, fa hisitraka fidinan’ny vidin-tsolika isika. “Marina fa nidina ny vidin-tsolika fa tsy araka ny nandrasana izany”, hoy i Rado, mpamily taxi. Notohizany fa mbola mananosarotra ny fandraisana ity vidin-tsolika vaovao ity, manaraka izany ny kajy samihafa tokony ho ataony hamelomany ny ankohonany. Na izany, tsy mihoatra ary tsy ho latsaky ny 200Ar ny fiovan’ny vidin-tsolika eto Madagasikara, araka ny fifanarahana natao amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI).
Fanjifana
Ankilany, nahitam-piakarana hatramin’ny 3,5% ihany koa ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane) “vitogaz” nanomboka ny zoma teo, taorian’ny fampakarana ny TVA voalaza ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2025. Ankehitriny, vidina 31 000Ar ny tavoahangina entona fandrehitra 4 kg izay nojifaina 30 000Ar teo aloha. Lasa 69 000Ar kosa ireo tavoahangina 9kg raha toa 67 000Ar izany iray volana mahery lasa izay. Tafakatra 98 000Ar kosa ireo tavoahangina 12,5 kg izay novidiana 96 000Ar. Mananika ny 410 000Ar ny entona fandrehitra amina tavoahangina 39 kg. Na izany, miovaova arakaraka ny faritra misy sy ny mpaninjara ireo vidiny vaovao ireo. Mampitaraina ny mpanjifa ny zava-misy, ao ireo milaza fa hiverina ampiasa arina fandrehitra noho ny fiakaram-bidy tsy ankiato, ao kosa ireo misafidy hampivady izany hisorohana ny fandaniana tafahoatra.
Henintsoa