Miisa 50 ireo orinasa tena madinika sy madinika (TPME) nandray anjara tamin’ny fampiofanana nataon’ny Fikambanan’ny orinasa malagasy (FOM) sy ny Kred avy amin’ny BNI Madagascar. Lohahevitry ny hetsika ny hoe fampitomboana ny fifandraisana, antoky ny fampandrosoana ». Hitohy isam-bolana ny
hetsika ifanakalozana amin’ireo mpandraharaha hanovozany ny fahalalana rehetra mahakasika ny sehatra iasany.
Vonona hanome tanana an’i Madagasikara ny Asian Infrastructure Investment Bank (AIIB) sy ny Banky iraisam-pirenena hanamboatra ny ny lalam-pirenena faha-13. Nisitraka vola tsy averina avy amin’ ny Centre de coopération multilatérale pour le financement du développement (MCDF) ihany koa isika. Nivoitra ireo nandritra ny famaranana ny fivoriambe isan-taon’ny vondron’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana.
Voaresaka nandritra ny fikaonandoha ara-toekarena « Madagascar Dubaï Business Forum » ny fanirian’i Madagasikara amin’ny fifanarahana momba ny Comprehensive Economv Partnership Agrement (Cepa). Maro ny tombontsoa azo avy amin’ity fifanarahana ity. Marihina fa liana amin’ny fampiasam-bola amin’ny sehatra marolafy eto amintsika ny Emira Arabo Mitambatra.