Nigadona ny volana jona. Efa zary nahazatra ny Malagasy, indrindra ireo mpandala sy mpikolo ny teny malagasy, ny manao ezaka manokana ho fampitiavana izany teny izany. Maro ireo manao hetsika mifanentana amin’izany…
Amin’ireo fikambanana na vondrona samy hafa, miaro sy manandratra ny teny malagasy. Tao ny nanomboka, omaly, avy hatrany ny hetsika na ny fandaharam-potoana izay heveriny fa hanamarihana na hankalazana ny «Volan’ny teny malagasy». Ao ihany koa ireo hanomboka amin’ity herinandro ity. Saika isan-taona, samy maneho izay fahavononana ny hanome aina indray ny teny malagasy izay izy ireo.
Mahavariana! Ezaka lehibe no vitan’ireny fikambanana na vondrona na sampandraharaha isan-tsokajiny ireny. Saingy, hatramin’izao, ambilombazana ihany ny vokatra misongadina. Raha velarina eo amin’ny fiarahamonina sy ny firenena, mety tsy ho tazana akory ny sasany amin’ny asa natao.
Mahavariana! Teny malagasy, ampiasain’ny Malagasy 30 tapitrisa mahery, kanefa, resin’ny teny vahiny, eto amin’ny taniny. Manamafy izany ny tranga hita eny amin’ny fiarahamonina. Ifandrombahan’ ny ray aman-dreny ny mampiditra ny zanany any amin’ireny sekoly mampiasa ny teny vahiny ireny. Mbola omena lanja sy lohalohavina any
amin’ny tontolon’ny ankamaroan’ny sehatry ny asa ny fampiasana ny teny vahiny. Izay «zavatra» atao na ampiasaina ny teny vahiny, toa «tsara sy ambony» ny fandraisan’ny fiarahamonina azy, sns
Zara raha ifampiresahan’ ny samy Malagasy ny teniny. Manomboka tsy heno intsony any anivon’ny ankohonana ny teny malagasy. Menatra ny hotsarain’ny mpiara-monina ho «bado» ka aleo miteny amin’ny fiteny vahiny, sns. Ireny rehetra ireny no mitabamby ka tsy maintsy hanomezana hery sy aina vao hatrany ny teny malagasy.
Tsy mbola ampy ny fampiasan’ny Malagasy ny teniny, eo amin’ny fiainany andavanandro. Antony lehibe hanomezana aina azy isaky ny «Iray volan’ny teny malagasy» izany.
HaRy Razafindrakoto