Mety hikorontana indray ny toetry ny andro noho ny alondrano vaventy any an-dranomasina amin’ny morontsiraka afovoany sy atsimo andrefana ary atsimon’ny Nosy, amin’ny faran’ny herinandro. Halefaka ny tsiokan’ny varatraza amin’ny tapany voalohany amin’ny herinandro. Tombanana hahazo vahana aorian’izany. Tombanana hitoetra hatrany koa ny orana tandrifin-drahona any amin’ny faritra avaratra atsinanan’ny Nosy. Ho maina any an-kafa ka hialohavana zavona vao maraina izany amin’ny afovoan-tany sy ny ilany atsimo atsinanan’ny Nosy.
Efa tonga any Inde ireo mpiasam-panjakana malagasy manaraka fiofanana, “Capacity Building Program on Public Policy and Gouvernance”. Fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana malagasy amin’ny alalan’ny École nationale d’administration de Madagascar (Enam) sy ny fanjakana indianina (NCGG) izy ity. Miisa 30 mianadahy ireo mpiofana mandrafitra ny delegasionina malagasy tonga any an-toerana. Haharitra roa herinandro ny fampiofanana.
Araka ny andininy faha-3 ao amin’ny didim-panjakana laharana faha-2025-005, tamin’ny 7 janoary 2025, mamaritra ny lisitry ny andro tsy iasana nefa andraisan-karama, ho amin’ny taona 2025, nilaza ny minisiteran’ny Asa fa andro tsy fiasana nefa andraisan-karama ny zoma 6 jona. Eid Al – Adha, araka ny tetiandro nofaritan’ny Fikambanamben’ny Silamo io andro io.
Ho fisorohana ny loza mateti-pitranga amin’ny fiampitana lakana amin’ny reniranon’Ikopa, misy ny fampiofanana maimaimpoana omen’ny Vondron’ny mpamonjy voina eto Antananarivo Renivohitra, amin’ity herinandro ity. Fampianarana sy fampiharana mihitsy no hatao mandritra izany.